Louis Gaston Randriam : Mampiranty ny sanganasany

Mpanakanto nirona bebe kokoa tamin’ny hosodoko ary fanta-daza amin’izany i Louis Gaston Randriam. Nosokafana omaly ny fampirantiana “Retour à la source”, izay ahitana ireo sanganasany, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Fiverenana an-doharano, fanakaikezana ny fototra nipoirana amin’ny lafiny rehetra, indrindra ny asa famoronana izany ho an’ity mpanakanto ity. “Ny miverina mampiranty eto, rehefa 50 taona niasana tamin’ny hosodoko, dia fiverenana any amin’ny fototra izay nandrasako hatramin’izay. Ny faniriako dia tsy miova: hahita sekoly ambony momba ny kanto tena izy sy ny tranombakoka lehibe ho an’ny zavakanto maoderina miorina eto Madagasikara”, hoy ny nambaran’i Louis Gaston Randriam.
Manana ny nampiavaka azy amin’ny fiangaliana ny hosodoko hataony izy. Mivelatra be ny lohahevitra avoakan’ny fafana tsirairay, mihazona vetivety ireo mpitsidika tsy hankafy ny sary fotsiny fa handalina ilay hampitain’ny mpamorona. Mbola haharitra roa volana ny fampirantiana. Hisy ampahany entin’ity mpanakanto ity hanampy ireo sahirana ny vidin’ny sanganasany. Afaka mifankahita sy miresadresaka mivantana aminy koa ireo liana isaky ny sa­botsy.

Zo ny Aina

Partager sur: