Ambohidratrimo : Lehilahy nisy namono tamin’ny zava-maranitra

Lehilahy mpivarotra entana ilaina andavanandro hita faty tao Ambohidratrimo, omaly maraina. Feno ratra sy ra ny faritry ny lohany.

Lehilahy iray hita faty tao amin’ny fokontany Am­bo­­hitsiroa atsinanana, kaominina Ambohi­dratrimo, omaly maraina. Nihosin-dra ny lohany ary ahina ho efa nisy namono ny alina izy, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsikaritry ny olon-tsotra nandalo vao maraina io vatan-dehilahy efa nitsirara tamin’ny bozaka io. Nozahan’ny manodidina izy saingy efa tsy nisy aina intsony. Niantso ny manam-pahefana avy hatrany ny mponina. Natao ny famatarana ka tsy vaovao amin’ny olona sasan­tsasany ny en­drik’io lehilahy io. “Mivelona amin’ny varotra ity olona ity”, hoy ny fanazavan’ ny kapiteny lehi­ben’ny vondron-tobim-pa­ritra Ambohidra­trimo. Nora­sain’ireo tsy mataho-tody tamin’ny zava-maranitra ny faritry ny lohany ka antony ahina ho nitarika ny fahafatesany. Tsy nanana na telefaonina io olona lasibatra io, araka ny angom-baovao.

Tsy nody an-trano
“Tsy hita nanomboka ny harivan’ny alarobia 17 desambra lasa teo ilay lehilahy ”, araka ny fanazavan’ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana. Tsy misy hatreto olona ahina ho nandray anjara mi­vantana tamin’ity raharaha ity fa anatin’ny fikarohana sy fanadihadiana lalina tanteraka ny mpitandro filaminana. An­drasana ny tohin’ny famoto­rana. Efa am-pelatanan’ny fianakaviany taorian’ny fitiliana nataon’ny mpitsabo ny nofo mangatsiakan’ilay namoy ny ainy. Marihina, nirongatra ny tranga vonoan’olona tamin’ny faritra maro samihafa tato ho ato. Renim-pianakaviana, an­kizy, hatramin’ny raim-pianakaviana izay samy lasibatra avokoa. Mitarika ireo tranga ireo matetika ny fandrobana sy fanendahana izay ataon’ ireo olon-dratsy. Tsy vitan’ny mandroba ny vola eny am-pelatanan’ny lasibatra ireo mpa­nao ratsy fa taperiny ha­tramin’ny ain’ireo tsy ma­nan-tsiny.

Tsiferana R.

Partager sur: