Toamasina : Tovolahy nanolan-jaza miisa efatra

Ankizivavy latsaky ny folo taona miisa efatra, niaran’ny fanolanana nataona tovolahy iray vao 18 taona tao Analaki­ninina, Toamasina. Notanana am-ponja ilay nahavanon-doza, ny alarobia lasa teo. Naiditra vonjimaika any am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana azy ny lehilahy iray voatondro ho nanolana zazavavy miisa efatra ny alarobia 10 desambra lasa teo. Zanaka tafika miisa efatra izay monina ao amin’ny Cité Baisail ireo nanamparan’ilay tovolahy ny filan-dratsiny ireo, araka ny fanadihadiana voaray. Dimy taona ny zandriny indrindra ary folo taona kosa ny zokiny amin’ireo zaza miisa dimy ireo. Mpiray tampo ny roa amin’ireo lasibatra ireo raha toa ka zanak’olona hafa ny roa. Matetika tsy ao an-trano ny ray aman-drenin’io tovolahy io ka nampidirina antsokosoko tao an-trano ireo zaza tsy ampy taona ireo. “Nosa­ritiny tsikelikely izay hitany milalao eo an-tokotany”, hoy ny fanazavan’ny ray aman-drenin’ny zaza iray tamin’ireo lasibatra. Nitaraina tamin’ny ray aman-dreniny avy anefa ireo zaza io. Natao fitiliana tao amin’ny mpitsabo miaramila. Voamarina fa niharan’ny herisetra vokatry ny fanolanana avokoa ireo zazavavy miisa efatra. Nozahana teny anivon’ny hopitaly be ireo zaza ireo. Nanome taratasy fanamarinana momba ny fahasimban’ireo zaza ireo ny mpitsabo. Niroso tamin’ny fitoriana ny ray aman-drenin’ny lasibatra. Voasam­botra ilay lehilahy voatonotonona. Natolotry ny manam-pahefana teny anivon’ ny fitsarana ity farany ary nohazonina am-ponja.

Tsiferana R.

Partager sur: