FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho mpanolotsaina teknikan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Rakotoarisoa Faniry Alban na i Bàbà. Nambarany fa tena mbola tsy madio ny ranon’Ikopa, mbola laoranjy. Mitohy ny fanadiovana. « Tsy vita indray andro fa mila firaisankina sy fifanomezan-tanana ary avela hiasa malalaka sy hain­gana ny governemanta », hoy izy.
Namaly ny feo miely ny depiote avy any Anta­nimora Atsimo, Baba Tea Longo. Nambarany fa tsy misy resaka fanonganana governemanta na fanoloana Praiminisitra izany eny amin’ny Antenimiera. « Tsy misy aloha hatreto ny fanangonan-tsonia momba izany », hoy izy.
Hentitra ny tolokevitry ny vovonana « Tam­babe Fanorenana Ifotony – Tafita ». Tokony hosoloina ny sainam-pirenena sy ny hiram-pirenena ary ny fanoloana ny datin’ny nahazoana Fahaleovantena. « Ho fialana tanteraka amin’ny rafitra sy tandindon’ny fanjanahantany ny anton’izany », hoy izy ireo. Ahitana antoko politika maromaro ity vovonana ity.
Maromaro ireo fanendrena ho mpanontsaina teknika eo anivon’ny Prezidansa. Anisan’izany ny avy amin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia sy ny mpanao gazety, Harifidy Ramanandraibe. Vao notendrena koa, Andriale­mirovason Gerard. Efa talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, fony fitondrana Ratsiraka (1997 – 2002) ny tenany.

Partager sur: