Misy fandaharana miaina mivantana (télé-réalité) vaovao hafa indray omen’ny Startimes ny mpanjifa. Miara-mamokatra ny fandaharana mahakasika ny fitiavana, “Up Fankatia”, andiany faharoa ny StarTimes sy ny TV Plus. Vokatra 100% tena malagasy. Hanomboka ho hitan’ny mpijery amin’ny 20 desambra ho avy izao ny fandaharana voalohany. Fotoana miavaka ho an’ny olon-drery, na maty vady na efa nisaraka, hilazany manoloana ny firaiketan-tsary (caméras) ny olon-tiany vaovao. Ho feno fihetseham-po, mampientanentana ary indrindra fahasahiana.
Mpanohana ofisialy ny fandaharana ny Airtel sy ny Airtel Money. Ahafahana mamantatra ny karazana tolotr’ireo orinasa ireo sy ny an’ny Startimes. Azo atao ny manao ny famandrihana amin’ny alalan’ny Airtel Money. Toy ny fividianana ny fitaovana «décodeur StarTimes», na koa hijerena ny Startimes amin’ny application anaty finday. Misy tolotra manokana nanomboka ny 15 desambra hatramin’ny 15 janoary 2026. Hahazo fandaharana fanampiny iray volana ny manao famandrihana Basic sy Smart. Hahazo 10 andro fanampiny ny mamandrika ny Classic sy ny Super mandritra ny 2 volana.
Njaka A.




