Fisitrahana internet : Maimaimpoana ny eny amin’ny Oniversite

Vita sonia ny alarobia teo ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny minisiteran’ny Fa­m­piroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (M­N­­DPT) sy ny Yas Mada­gascar ho fametrahana ny Wifi sy Hotspots eny anivon’ireo Oni­versite eto Madagasikara. Fandaharanasa izay toha­nan’ny Axian Telecom. « Atom­­boka amin’ny volana janoary 2026 ny tetikasa ary hisan­tarana izany ny Oniversiten’i Toliara », hoy ny minisitra Andriamampiadana Mahefa. Araka izany, hisitraka ny tetikasa avokoa ny oniversite manerana ny Nosy ary mbola hotohizana amina sehatra maro samihafa izany, toy ny eny amin’ny hopitaly, ny kaominina, ny amoron-dranomasina sns. “Ho maimaimpoana ny tolotra ka afaka hisitraka internet tsy voafetra adiny 3 isam-bolana miaraka amina hafainganam-pandeha am­bony ireo mpianatra. Hisy ny tapakila ho ampiasainy ka raha mila tolotra fanampiny izy dia mbola afaka mividy izany amin’ny sarany mora indrindra, izay heverina ho 500 Ar”, hoy hatrany ny minisitra. Noho izany, tsy ho voafetra amin’ny Gigaoctet vitsivitsy isam-bolana intsony ny fisitrahana internet, ary ho avo lenta ny kalitaon’ny tolotra amin’ny alalan’ny fampiasana « fibre opti­que ».
Fanamby

Nanamafy ny MNDPT fa tanjona ny hanamorana ny fisitrahan’ny rehetra ny internet miaraka amin’ny hafainganam-pandeha ambony, izay mety hahatratra hatrany amin’ ny 1 Gigabites/s. Ankoatra ireo voalaza etsy ambony, miisa 20 fara fahakeliny ny « sites » hanaovana ny tetikasa ho fampiroboroboana ny niome­rika eto Madagasikara.
Ankilany, nilaza ny tale jeneralin’ny Yas Madagascar, Benoît Janin, fa « miantoka ny fahombiazan’ny mpianatra ny fisitrahana niomerika sy ny fahafahany mampiasa ny in­ternet, antony mahatonga ny Yas Madagascar manohana hatrany ny fampandrosoana ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra eto an-toerana ».

Henintsoa

Partager sur: