Sprinter nodomin’ny kamiao : Naratra mafy ny mpamily sy ny mpanampy azy

Nifandona teny am-pandehanana teo Ambatofotsy, la­lam-pirenena fahatifo ny ka­miao iray sy ny fiara fitateram-bahoaka sprinter iray, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Noho ny hamafin’ny fifandonana, voafaokan’ilay kamiao nifanena taminy ilay sprinter ka nipitika sy nifafatra tany amin’ny sisin-dalana. Potika tanteraka ny lohan’ilay sprinter. Tery sy voatsindrin’ireo vy tamin’ny fiara tao ny mpamily sy ny mpa­nampy azy. Nananosaro­tra ny fisokirana azy tao, satria no­sintonina tamin’ny rojo mi­hitsy ireo vy nanery azy vao afaka tao izy, raha ny fanazavan’ireo mpandeha tao anatin’io fiara. Naratra mafy teo amin’
ny lohany ilay mpamily. Tao­rian’ny loza, efa noentina any amin’ny hopitaly ireo na­ratra. Avy aty Antananarivo hi­hazo an’Antsirabe ity niharam-boina ity. Raha toa ka avy any Atsimo ary hiakatra ho aty Antananarivo ilay kamiao. Ton­ga teny an-toerana nisehoan’ny loza ny zandarimaria avy ao an-toerana. Raha ny fanazavana voaray, tratran’ny torimaso fotsy ny mpitondra ilay kamiao ka anton’ny loza.
Ankoatra izay, voafokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray koa ny fiara mpitatitra en­tana iray tany Ambatofolaka, lalam-pirenena voalohany, omaly ihany. Nisy zavatra na­naloka­loka teo aloha tamin’ ny fotoana nitondrany ny fiara ka tsy na­hita lalana ny mpamily. Ni­ala izany izy ka nifatratra tany amin’ilay 4X4 teo amin’ny si­sin-dalana. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ireo tranga ireo. Etsy ankilany, mpi­tondra moto iray no nifatratra tamin’ny omby iray tetsy amin’ny digue Fenoarivo, omaly ihany. Nan­de­ha mafy ilay moto nefa nisy omby niampita tampoka ka tsy tafajanona ity farany. Vokany, maty ilay omby, raha naratra kosa ilay mpitondra kodiaran-droa.

Mino

Partager sur: