Nahitana sambo iray efa potika sy tsy fanta-piaviana tany amoron-dranomasin’i Mahanoro, tao amin’ny fokontany Ankazomirafy, ny 18 desambra 2025 tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Efa harafesina tanteraka ary tsy nisy nahafantarana ny momba azy. Tonga teny an-toerana nizaha ifotony ny tomponandraikitra avy ao amin’ny APMF sy ny mpitandro ny filaminana. Andrasana ny mety ho tohin’ny fanadihadiana.
Ravan’ny afo tanteraka ny kaominina Arivonimamo II, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. May tanteraka ny entana sy fanaka tao anatiny. Avy any ambany ny afo, izay tsy mbola fantatra mazava ny anton’ ny firehetana. Tonga namono afo tany an-toerana ny mpamonjy voina avy aty Antananarivo. Niezaka nifehy ny afo ny fokonolona tany an-toerana mandra-pahatongan’ny mpamonjy voina. Noho ny haherin’ny rivotra, niitatra haingana ny afo ka nahazo ny trano rehetra.
Taorian’ny vaovao niparitaka mahakasika ny raharaha fisolikiana fiara an-jatony nataona agence sy ONG iray teto an-dRenivohitra. Efa maro ireo fiara tratran’ny mpitandro filaminana. Nisahana ny fikarohana ny avy amin’ny Brigade Criminelle Anosy. Nisy tamin’izy ireo no nanatitra izany, teo anivon’io sampana miady amin’ny heloka bevava io.
Naharitra ora maro ny fitohanana tetsy amin’ny tetezana Anosizato, omaly atoandro. Maty teo amin’ny arabe ny kamiao iray rehefa tafiditra ny tetezana ka tsy afa-nihetsika. Niditra an-tsehatra nandamina izany, ny mpitandro filaminana. Niverina tamin’ny laoniny izany, rehefa nivaha ny olana.




