Hilaharana tsy misy ohatr’izany ny toeram-pizarana vola ho an’ny mpandray karama volana desambra. Ny faha-10 ny volana lasa teo no efa nanomboka nandray ny anjarany ny mpiasam-panjakana. Lasa aloha be tokoa satria mba anisan’ireo maika handeha hiala sasatra ihany koa ny mpanamboatra karama. Fety ny andro, maromaro ny fandaniana ankoatra ny sakafo efa mahazatra. Misy ny vola tsy maintsy havoaka amin’ny tsy ampoizina sy fandaniana tsy lany.
Mbola tsy misasaka ny volana efa fongana ny karama ho an’ny ankamaroany. Ekena fa misy ireo efa niomana sy nanomana ny fety saingy betsaka ny tsy afa-nanoatra. Ny fandaniana mihoatra lavitra ny vola miditra. Izany tahiry izany tsy misy sy tsy tafiditra amin’ny lamina ao an-tokantrano. Sarotra sy tsy voafehy rahateo ny vidim-piainana. Tsy mifandanja ny vola miditra sy mivoaka. Betsaka ny mikarama ho an’ny sakafo ambany foitra.
Ho avy indray ny an’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Asa raha ho lasa aloha be koa ny karama fa tsy metimety ho amin’ny fahasalaman’ny paosy sy ny poketra izany, indrindra hiatrehana ny janoary izay volana lava indrindra amin’ny taona. Filana tsy azo ialana anefa ny fanaovana fety isam-pianakaviana. Ny ankizy koa tsy mahalala ny tsy misy, tsy maintsy ampifalifaliana na kely aza. Zara aza manome vola aloha ny mpampiasa sy ny orinasa. Tsy hitrosatrosana!
Tsy sanatrian’ny vava ho fifamendrofendroana anefa ny fitanisana izany. Tsy maintsy lazaina mba samy hitandremana. Malagasy sahirana sy tsy manan-katao tsy ho afaka ny hifamonjy intsony. Raha resa-bola rahateo tsy maha mpihavana intsony. Samy maka ho azy sy miaro ny rambony avokoa sisa. Efa tsikalakalam-bola no lolohavina an-tampon’ny loha. Raha resa-pihavanana kosa dia miandriandry lava. Tsy misy afaka ny hifamonjy sy hifanavotra intsony raha tsy mifono ambadika. Mahazo vahana ilay aleo very tsikalakalam-bola, raha maty aho matesa raomby.
Krisimasy anefa isika izao, afaka tsara ny mandinin-tena. Tsy natao hiteraka vesatra anefa izany fa tokony mba hivadika ho androm-pamonjena araka ny dikany. Andro hisitrahana fahasoavana amin’ny fotoana rehetra izao. Tonga hamonjy izao tontolo izao hoe ny zanak’Andriamanitra. Koa inona no hisalasalana ? Ataovy izay mety tsy ho vesatra fa hahasoa sy mitondra ny fahafinaretana.
r.r




