VAOVAO TAMBATRA

Hanatsara ny fanaraha-maso ny fanarahan-dalàna, ny kalitaon’ny vokatra ary ny tontolon’ny indostria ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny inspektera indostrialy. Napetraka ny paikady sy ny fomba fiasa vaovao hijerena ny traikefa avy any ivelany entina hanatsarana ny asa eto an-toerana. Hojerena ny fametrahana ny «corps des inspecteurs industriels» hanohizana ny asa vita sy ny hametrahana tetikasa maharitra.

Nihaona tamin’ireo mpamatsy vola sy tomponandraikitra ara-toekarena «dubaïote» ny filohan’ny Fanavaozana nandritra ny diany tany ivelany. Voare­saka manokana ireo tetikasa ara-toekarena sy fampiasam-bola hanatsarana ny fitantanana sy ny fampidiram-bola ho an’ny firenena. Nodinihina ihany koa ny fametrahana rindrambaiko hanaraha-maso ny fivezivezen’ny vola eny anivon’ny fadin-tseranana, seranan-tsambo ary ny seranam-piaramanidina.

Notanterahina omaly ny forum national des investissements pour l’économie bleue. Hetsika nivondronan’ireo mpisehatra sy mpandraharaha eo amin’ny toekarena manga. Nikaondoha sy nifanakalo hevitra ny rehetra hanatsarana ny sehatra fa indrindra hampiroboroboana ny fiharian’ny mponina. Nisongadina manokana ny hametrahana ny tontolon’ny ranomasina ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny toekarena.

Partager sur: