Ivokolo Analakely : Hasongadina ny hira sy dihy vakodrazana

Nahazo ny anjarany ny mpanao hiragasy. Miara-dalana amin’izy ireo ihany koa ny vovonan’ny mpanao hira sy dihy vakodrazana, izay hasongadina ny alatsinainy izao.

Mamerina, mamelona ary mampahafantatra. Andraikitra lehibe sa­hanin’ireo mpanakanto mpivoy ny hira sy dihy vakodrazana ireo. Antom-pisian’ny Vo­vonan’ny mpanao vakodrazana, ihany koa izany mba hanomezan-danja ny talentan’ireto mpitahiry ny soatoavina sy kolontsaina ireto. Ho fanamafisana izany, hisy ny hetsika lehibe hanasongadinana ny hira sy dihy vakodrazana, ny talata 23 desambra izao, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina, ao amin’ny Ivokolo Analakely.

Seho matihanina
Tarika matihanina maro anatin’ny vovonana no hifandimby an-tsehatra mandritra ny seho. Misy amin’ireo ny efa andrarezina, nampita ny afo tsy maty tamin’ireo taranaka. Maro koa ny vato nasondrotry ny tany, mamelo-maso sy manohy ny zavakanto. Tsy hira sy dihy ihany, fa homena sehatra, mandritra izany ihany koa, ny fitafy fitondra an-tsehatra sy rehefa milanona, anatina filatroana. Eo koa ny taovolon’ny Ntaolo, izay nifandovana an-taonany maro.
« Ny dihy vakodrazana sy ny tontolony eto Mada­gasi­kara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena », « Ny toeran’ny zavakanto sy ny kolontsaina eo amin’ny fanabeazana sy ny fampandrosoana maharitra » ary «  Ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fampiroboroboana ny fameloma-maso ny fiarovana ary ny fampitana ny vakodrazana malagasy ». Ireo telo ireo kosa ny lohahevitra iompanan’ny fampirantian-kevitra, izay heverina fa hampanan-karena ny hetsika. Entanina manokana ireo mpianatra, ireo mpanabe ary ireo mpankafy ny zavakanto rehetra handray anjara, satria maimaimpoana izany.

Zo ny Aina

Partager sur: