“Ndao hiaraka”, seho fiderana iarahan’i Njakatiana amin-dry Ny Mpitory sy ny Feo Mamatonalina. Hotontosaina ny alahady 21 desambra izao izy ity, eny amin’ny FJKM Andavamamba Kristy Velona, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Seho hafa mihitsy noho ny mahazatra ity karakarain’ny antoko mpihira Akon’i Kristy Velona ity, satria tsy mbola niaraka tamina hetsika iray ireo mpanakanto ireo. Ankoatra izay, mbola maimaimpoana izany.
Hisy famerenana ilay “Michaël Jackson Tribute Show” by Mandresy Boys. Hatao eny amin’ny Makay Lounge indray ny seho faharoa, ny 23 desambra ho avy izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Mihira arahina mpitendry matihanina mihitsy i Mandresy, ankoatra ny efa fifehezany ny dihy. Hiray sehatra aminy, mandritra izany, i Rolf (gitara beso), Ulys (gitara), Hery (amponga maroanaka ary i Hiary (vata maroafitsoka).
“Seho Krisimasy 2025”, hotontosaina ao amin’ny Ivokolo Analakely, ny alatsinainy 23 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ireo mpianatra sy mpampianatra avy ao amin’ny akademiam-pirenena ho an’ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac no hanolotra ny seho. Alaina maimaimpoana ao amin’ny biraon’ny Anac, ambadiky ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha, ny tapakila ho an’izay liana.
Hiverina hisokatra ny trano fampirantian’i Pierrot Men. Vaovao lehibe sady mahafaly ireo mpitia kanto rehetra izany, satria tafarina vetivety taorian’ny fanimbana sy ny fandrobana nahazo azy, ny 25 septambra teo. Vokatry ny fanehoana firaisankina, ny fifandraisan’ireo mpitia kanto sy ny mpanakanto ary ny finiavana ny hiarina hatrany no nampiverina vetivety ny toerana, raha ny fananazavan’ity mpanakanto mpaka sary ity.




