Efa nahavita ny fikaonandoha teny anivon’ny faritra ny eo anivon’ireo mpino silamo ary hiroso amin’ny fikaonandoham-pirenena eo amin’izy samy izy ireo. Nitondra tolo-kevitra maromaro momba ny fanavaozana sy ny raharaham-pirenena izy ireo, tamin’izany.
Nambaran’ireo mpizaika fa anisan’ny nivoitra tamin’ny fakan-kevitra teny anivon’ny faritra ny fitazonana ny fanjakana tokana. Hapetraka kosa anefa ny faritany mizaka tena ao anatin’ny fitsinjaram-pahefana. Hofoanana ny toeran’ny praiminisitra. Hatsangana ny governemanta foibe. Hanana governemanta koa ny isam-paritany. «Hanana parlemanta koa ny isam-paritany sy ny faritra», hoy ny filohan’ny komity mpikarakaraka, Andriarimanana, tetsy Andohatapenaka, ny sabotsy teo. Anisan’ny nitondran’izy ireo fanatsarana koa ny lalàm-pifidianana sy ny momba ny sata mifehy ny fizakana ny zom-pirenena. Nanteriny fa ilaina ny firaisankina sy ny fitambarana, saingy ilaina koa ny fijerena ny eny ifotony. « Mifanaraka amin’ny fiarahamonintsika izany ary mamaly ny hetahetan’ny vahoaka any ambany ravinkazo any », hoy ihany izy. Na izany aza, miantso sy manentana ireo mety mitovy hevitra aminy ireto avy amin’ny finoana silamo ireto mba hiaraka amin’izy ireo.
Hatolotra ny fitondram-panjakana
Etsy andaniny, anisan’ny nivoitra tamin’ny fikaonandoham-paritra ny raharaha anatin’ny fivondronamben’ny Silamo. Tapaka ny hananganana ny kaonfederasionina eto Madagasikara. Manampy izany ny momba ny fanambadiana. Ankoatra izay, notsindriny fa hoentina eo anivon’ny fitondram-panjakana ny fehin-kevitra tapaky ny fikaonandoham-pirenen’ny Silamo. Naneho ny fahavononany hijoro ho amin’ny fanavaozana izy ireo ary hanaraka hatrany ny fehin-kevitra tapaka amin’ny fikaonandoha.
Notsiahiviny fa niara-niasa hatrany tamin’ireo fitondram-panjakana nifandimby ny Silamo na nivantana izany na ankolaka.
Synèse R.




