Fanja Andriamanantena: vokatra “Collector”, anamarihana tsingerin-taona 3

Mpamoron-kira, mpandrindra, mpihira, mpitendry nanamarika ny mozika malagasy tao anatin’ny 60 taona i Fanja Andriamanantena. Natambany ho iray ireo vokatra sy ny momba azy, hanamarihana tsingerintaona telo lehibe…

80 taona, 60 taona an-tsehatra ary faha-20 taonan’ny “Mozika tsotra izao”. Tsingerin-taona 3 lehibe ho an’i Fanja Andria­manan­tena, andrarezin’ny mo­zika ary mbola manohy mizara ny kanto hatrany. Nentiny na­namarihana izany andro lehibe izany ny fampahafantarana ny “Collector”, ny asabotsy teo, tetsy amin’ny Makay Analama­hitsy. Araka ny anarany, fitambarana vokatra, mahafehy izay 60 taona tao anatin’ny famoronana mozika izay, ity natolotr’i Fanja Andriamanantena ity.
Bokikely iray mirakitra ny lalana nodiaviny teo amin’ny mozika. “Clé usb” iray mirakitra ireo hira anatin’ny “Mozika tsotra izao”, andiany voalohany, faharoa, fahatelo ary fahefatra, miampy ireo rakikira roa “Ravin-dohataona” sy “Soa fa tia” no voarakitra ao. Misy ihany koa hira efa voaray feo saingy tsy mbola nampahafantarina sy ireo izao mihitsy vao vita. Mbola miampy ny andiam-pampisehoana “Mozi­ka tsotra izao” ny taona 2020, 2022 ary 2023 izany. Ankoa­tra izay ireo saripika manodidina ny 250 isa, sanganasan’ireo mpanakanto mpaka sary matihanina toa an-dry Felana Rajaonari­velo, Franky Do Van, Masy Andriantsoa (Yma­goo). Nira­kitra ireo fotoana mamy niarahana nandritra ny taona maro ireo.
“Tsy lehibe noho ny vitan’
ireo namako mpamorona, mpandrindra ary mpihira izy ity. Zava-dehibe loatra amiko anefa ny hanamarika ireo tsingerintaona ireo”, hoy i Fanja Andriamanantena. Feno ny fihetsem-pon’ireo tafahaona ny sabotsy teo. Nitamberina ny fahatsiarovana maro, nahita ireo saripika naranty, nalaina tamin’ireo fiarahana tamin’i Fanja Andriamanantena. Na­fana ny tafa sy ny fakana ran­go-pohy ho fahatsiarovana. Mbola narahina seho kely, ni­arahan’ity mpanakanto ity ta­min’ireo namany nanatontosa ny “Mozika tsotra izao” izany. Teo koa ny fanomezam-boninahitra nataon’ireo avy ao amin’ny Analamanga Music Piano, ho an’ity andrarezin’
ny mozika eto Madaga­sikara ity.

Zo ny Aina

Partager sur: