Jaw’s Band & Revival Messengers: raikitra ny seho « Gospel Vibe Christmas » 2025

« Hifanaraka amin’ny va­nim-potoan’ny Noely ny seho, ny loko sy ny fomba fihirana ireo sanganasan’ny tarika Jaw’s Band. Tahaka izany ihany koa ireo fomba fisehoana eny an-tsehatra eo amin-dry zareo… ». Anisan’ny hampiavaka ity fampisehoana an-tsehatra ity ireo, raha ny fanazavan-dRandimbinjanahary Tahiana, avy ao amin’ny Giga Vibes Évent, mikarakara ny he­tsika « Gospel Vibe Christ­mas » 2025. Hetsika hotanterahina ny alarobia 24 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Amphithéâtre Sainte Famille Mahamasina.
Nomarihiny ihany koa fa fampisehoana hanjakan’ny fi­derana sy ny fizarana ny « Gospel Vibe Christmas » ity andiany 2025 ity. Manamafy izany rahateo ny fandraisan’anjaran’ny Revival Messen­gers ao anatin’ny seho. Tsy to­riteny no hatao amin’io fa fampivoarana ny maha olona mifototra kokoa any amin’ny tontolo kristianina, raha ny nambaran’ny mpikarakara. Nohamafisiny fa hisy ny fizarana aim-panahy.
Manana ireo gadon-kira mifanaraka amin’izany ny tarika Jaw’s Band sy ny Revival Messenger. Ao ny milantolanto. Tsy vitsy ihany koa ny mi­hetsiketsika. Hanana ny anjara toerana rahateo ny gospel izay anisan’ny nahafantarana ny Jaw’s Band.
Fantatra fa ity rindran-kira evanjelika ity no hetsika voalohany karakarain’ny Giga Vibes Évent.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: