Mofomamy “Bûche de Noël” lehibe indrindra tontosa aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Tatran-dry zareo avy ao amin’ny Disciples Escoffier Madagasikara io fanamby io, ny sabotsy teo, teny amin’ny Zone Zital Ankorondrano. Mpahandro maromaro no nifarimbona nanatontosa izany, ary efa roa andro no nanombohan’izy ireo ny asa. Akora maro no nangonina nahavitana ny mofomamy, raha tsy hilaza afa-tsy ny atody miisa 34 000 fotsiny. Tsy fanenjehana ny zava-bita tsara indrindra fotsiny, fa misy tanjona ara-tsosialy izy ity. Natao hanampiana ireo ankizy sahirana, amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely izao, mantsy izany. Rehefa nozaraina, nahatratra sombiny miisa 10 880 ilay mofomamy, izay fikambanana maro no nisitraka azy. Namidy isaky ny metatra izany, ka 100 000 Ar ny iray metatra. Tratra ny tanjona ho an’ireo mpikarakara, satria naneho ilay firaisankina novoizina ny fahavitan’ilay mofomamy, nanampy ireo ankizy sahirana ary mbola mitana ilay zava-bita tsara indrindra. Marihina fa mirefy 1,4 km ny mofomamy lehibe indrindra vita maneran-tany, ka anisan’ny fanamby mbola hapetrak’izy ireo amin’ny manaraka ny hanamontsanana izany.
Zo ny Aina




