Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana: mpanolotsaina ambony miisa telo nosoloina, omaly

Nosoloin’ny fitondram-panjakana, omaly, ny mpanolotsaina ambony eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Voalaza fa nametra-pialana izy ireo saingy mitsipaka izany izy telo mianadahy.

Namoaka didim-panja­kana lah. 2025-1965 ny filohan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, nampitain’ny sekretera jeneralin’ny governemanta, Razafi­manantsoa Heritiana Joël. Tsy inona izay fa ny amin’ny fanekena ny fametraham-pialan’ny mpanolotsaina ambony mpikambana eo anivon’ny Fitsa­rana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), izay mifanaraka amin’ny And. 7 amin’ny didy hitsivolana lah. 2001-003, tamin’ny 18 novambra 2001, momba ny lalàna fehizoro. Voalazan’izany didim-panjakana izany àry fa mihatra
avy hatrany ny fametraham-pia­lan’ny mpanolotsaina am­bony isany Rakotobe Andria­maro­jaona Vololoni­riana Chris­tiane, Ranaivo Fidèle Mbalo, Raza­nadrainiarison Rahe­lima­nan­tsoa Rondro Lucette.

Anjara tendren’ny filohan’ ny Repoblika

Izy ireo dia anjara amin’ izay tendren’ny filohan’ny Re­poblika. Araka izany, tendren’ ny filohan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika hisolo toerana azy ireo ho mpikamban’ny HCC kosa ny mpanolotsaina ambony isany Andriamalaza Tianjanahary, Rasolonjatovo Norovola Hari­tiana, Andriamampandry Hain­­gotiana. Voalaza fa noho ny hamehana no nandraisana
ny fanapahan-kevitra, ary
azo hampiharina avy hatrany. Maneho sy manamarika dingana amin’ny fanavaozana ny HCC misahana ny fanajana ny lalàmpanorenana izany.
Rehefa natao anefa ny fanamarinana, nilaza izy ireo fa tsy nanao taratasy fametraham-pialana. Inona ny marina? Na izay fanavaozana amin’ izany…

R. Nd.

Partager sur: