Antoko PSD: « Tsy azo ekena intsony ny zara vilana… »

Nitondra ny heviny ary ha­nolotra Lalàmpanorenana hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny avy amin’ny antoko PSD, tarihin’i Eliana Bezaza. Nambarany tetsy Man­­droseza, omaly, fa tonga amin’ny kihon-dalan’ny tan­tara isika, taorian’ny fahara­van’ny fitondrana teo aloha, vokatry ny fitakian’ny tanora miandrandra fiainana tsara­tsara kokoa. Manoloana izany, nilaza ho mahatsiaro manana adidy ny PSD hitondra soso-kevitra sy vahaolana amin’
ny maha antoko azy. « Natao hia­diana hevitra eo amin’ny vahoaka sy ny mpanao poli­tika izany. Demokraty izahay ka manaiky ny lanin’ny besinimaro na maro aza ny hevitra takinay ny handraisana izany amin’­io Lalàmpanorenana io… Amin’ny ankapobeny, tsy azo ekena intsony ny zara vilana eto amin’ny firenena », hoy izy ireo. Notsiahiviny fa niainga amin’ny olana fototra niteraka korontana sy ady teto amin’ny firenena ny hevitr’izy ireo nandrafetana izany Lalà­mpa­no­renana izany. Hisoro­hana ny lolom-po sy ny ratra ka fotoana izao hamakiana bantsilana izany, araka ny nambarany. Anisan’izany ny tsy fanekena intsony ny fivangongoan’ny fahefana sy ny vola aty amin’ny fitondrana foibe raha kely fotsiny ihany sisa ny anjaran’ny any amin’ ny faritra. Eo koa ny kolikoly efa lasa tarazo lalim-paka ka tsy maintsy ikarohana vahaolana. Mihevitra koa izy ireo fa tsy natao hampiady sy hifamonoana ny federalisma raha eken’ny rehetra izany amin’ny tolo-kevitr’izy ireo. « Ilaina jerena koa ny fitantanana ny harem-pirenena amin’ny Lalà­mpanore­nana », hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: