Manahirana, tsy hita be ihany ny andraisana ireto vahoaka malagasy tsimandadiharona ireto. Toa mila voatsiary amin’ izay zava-miseho. Efa misy ny ezaka ataon’ny mpitondra fa mbola mimenomenona ihany ny ankamaroany. Tsy mahay mankasitraka kanefa tsy mandray andraikitra ny ankamaroany. Ny tsy manao ihany koa moa no mimenomenona.
Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao anefa tsy mbola afaka ny hahita fahagagana isika. Anatin’ny mbola miady ho an’ny fanavaozana amin’ny lafiny rehetra. Itondrana fanakianana indray izao ny fahatongavan’ny Rosianina eto amin’ny tanàna. Inona no maha ratsy izany raha samy tsy maintsy hifikitra amin’ny vazaha ihany. Mila mihodina ilay fanjakana.
Raha ny fantatsika, mbola mila vola misimisy ilay Malagasy amin’ny fampandehanana ny raharaha. Ny kitapom-bola anefa voalaza fa efa manifinify, betsaka rahateo ny famoaham-bola tsy tafavoaka araka ny tokony ho izy. Mila mahita loharanom-bola hafa mihitsy ny mpitondra. Tsy mahagaga ny tolo-tanana avy amin’ny firenena rosianina.
Iza koa no milaza anefa fa ratsy ireo tatsinanana? Mifanakaiky kokoa amin’ny kolontsaina malagasy aza izy ireo. Manana fomba fiaina sy fisaina mitovy. Manana fomba fijery mivelatra kokoa ary mifantoka amin’ny tombontsoa misasaka. Misy dikany lehibe amin’ny fikirakirana ny jeopolitika iraisam-pirenena rahateo izany. Tsy afa-miala i Madagasikara.
Malalaka ny safidy ho an’ny olon-drehetra sy ny firenena tsirairay. Tsy misy tokony hifanomezan-tsiny velively amin’ ny zotra noraisin-dry Ramiaramila ho any amin’ny tombontsoan’ny Malagasy izany. Tsy adala ka ho mora ambakaina akory izy ireo. Heverina fa efa nandanjalanja ny tsara sy ny ratsy, ny ahazoana tombony sy ny fatiantoka ho an’ity tanindrazana malalantsika ity. Koa aza sarotra atao isika mianakavy!
r.r




