Noravahina sary hosodoko karazan-kazo ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa Ravinala Airports sy ny malagasy mpanakanto sangany miisa roa.
Nanomboka ny taona 2023 ny hetsika « Antson’ ny tontolo miaina ». Amin’ity andiany fahatelo ity, lohahevitra noraisina ny hoe « Dendrophile », anehoana ny fankafizana ny hazo sy ny ala. Noravahina manokana, noho izany, ny eny amin’ny efitrano malalaka, « hall », fandraisana mpandeha, seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, nanomboka ny 16 desambra teo, mifanandrify amin’ izao vanim-potoana fety izao.
Nampiseho ny fahaiza-manaon’Iandry Randriamandroso ny fifehezana ny haitao kisarisary grafika, mifototra amin’ny hazo « baobab mpifankatia » (Andansonia za), tsy hita raha tsy eto Madagasikara, mampiseho ny fifankatiavana, miendrika fo. Mpanakanto faharoa, i Kiady Ratovoson, maneho ny fitiavana amin’ny alalan’ny zavatra fampiasa andavanandro.
Namorona ny hetsika « Antson’ny tontolo miaina » i Ihoby Rabarijohn. Nampivondronany ny mpahay kanto samihafa, toy ny mpanakanto, ny mpahay kisary (designer), ny mpamorona, ny mpandinika …, nananganana sehatra iray iombonana. Mampifandray ny natiora mahasondriana. Nifantoka tamin’ny « ny toeran’ny velona » ny andiany voalohany (2023), ny karazam-borona eto Madagasikara ny faharoa (2024) ary izao mahakasika ny hazo izao ny taona 2025.
Maoderina sy misy aingam-panahy
« Azo hakana aingam-panahy mifantoka amin’ny natiora ny fahitana ireo tabilao hosodoko « Dendrophile », hoy Ihoby Rabarijohn. Nilaza ny tale jeneralin’’ny Ravinala Airports, Daniel Lefebre, fa « tsy mionona amin’ny fitantanana ny seranam-piaramanidina izahay. Amin’ny maha varavarana misokatra ho an’i Madagasikara azy, ezahinay ny haha maoderina, tsara fandraisana ary koa misy aingam-panahy azy. Mampifandray ny zavakanto sy ny tontolo iainana ny Dendrophile, atolotray ny mpandeha ».
Njaka Andriantefiarinesy




