Anisan’ny hanampy ny famatsiana herinaratra ao amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny Toby termika faharoa an’ny Jirama eny Ambohimanambola (CTA 2). Efa mandeha ny gropy iray, mamokatra herinaratra 5 MW. Eo am-panandramana ny gropy faharoa, fa mbola misy arindra kely ny hafanana. Eo am-panaovana andrana koa amin’izao fotoana izao ny gropy miisa roa hafa. Vinavinaina ho vita mialoha ny 25 desambra ho avy izao ireo, ka hitotaly 15 MW ny herinaratra fanampiny hampidirina anaty tambajotra RIA. Tsiahivina, fa avy eto Madagasikara daholo ny fitaovana sy ny kojakoja nanarenana ireo gropy telo ireo, fa tsy niandry fanafarana avy any ivelany.
Etsy ankilany, mitohy ny fametrahana ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Anisan’izany ny eny Ambatomirahavavy, manana tanjaka 5MW, nampidirina anaty RIA. Napetraka tamin’ny fiandohan’ny desambra teo koa ny any Moramanga, hanana tanjaka 15 MW, apetraky ny orinasa Filatex, ary ho vita tanteraka amin’ny fiandohan’ny taona 2026. Hampidirina anaty tambajotra RIA ihany koa ireo.
Njaka A.




