Notafihin’ny jiolahy miisa efatra ny vehivavy iray mpandaja volamena tany Andranomangatsiaka Maevatanàna, omaly, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Azon’ny fokonolona ny iray tamin’ireo olon-dratsy.
Nisaron-tava sy nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy ireo olon-dratsy. Nandrasan’ireto farany teo akaikin’ny trano fonenany ity vehivavy ity rehefa nikasa handeha hamonjy tsena maraina. Niantso vonjy avy hatrany izy vantany vao nahita ireo olon-dratsy. Nanenjika ireo olon-dratsy ny fokonolona raha vao naheno izany. Raikitra ny fifandonana sy fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Tratran’ny mponina ny iray tamin’ireo jiolahy. Nahitana basy poleta tany aminy, nanambara fa mpitandro filaminana miasa any Ambondromamy, distrikan’Ambatoboeny izy io. Mbola tsy voamarina izany hatreto, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena. Tafaporitsaka ny telo ambiny. Raha ny fanazavana voaray, efa nanara-maso ny fiainan’io vehivavy nokendrena io ireo olon-dratsy, raha ny fanazavana voaray. Miala ao an-tranony amin’ny 2 ora maraina izy mba handeha handanja volamena any Andriba, isan’andro.
Olona telo naratra
Nahatratra telo ireo olona naratra nandritra ny fifandonana. Anisan’izany ilay vehivavy mpandanja volamena, lehilahy iray hafa nanavotra azy ary ilay olon-dratsy voasambotra. Nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana ireto olona naratra ireto, taorian’ny tranga. Hatolotra sy hatao fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny polisy CSP Maevatanàna ilay olon-dratsy rehefa sitrana. Marihiny fa tsy nisy lasan’ireo olon-dratsy ny vola tany amin’ilay vehivavy mpandanja volamena. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha sy ny tohin’ny fanadihadiana. Tsiahivina fa tovolahy iray mpandanja volamena namoy ny ainy, voatsatok’antsy tao an-tampon-tanànan’Antanimbary, distrikan’i Maevatanàna, ny alahady 07 septambra 2025 lasa teo.
Mino




