Nivaly ny tolona, ho an’ireo mpanakanto. Hatreto, narahin’ny mpitondra avokoa ny soso-kevitr’izy ireo hanatsarana ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto.
Homena ny mpanakanto ny toeran’ny tale jeneralin’ny kolontsaina, eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Anisan’ ny fangatahan’ny sendikan’ny kanto, ivondronan’ireo mpamorona, mpanoratra, mpanao mozika izany. Nivoaka tamin’
ny Filankevitry ny minisitra ny alin’ny alatsinainy teo fa voatendry eo amin’ny toeran’ny tale jeneralin’ny Kolontsaina i Nomenjanahary Théodore Rakotovao, fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanakanto hoe Théo Mikea.
Tsy hatreo fa mbola nomena mpanakanto mpanao mozika ihany koa ny toeran’ny tale misahana ny zavakanto sy ny fampiroboroboana ny kanto (Dapa), Razafitrimo Toavintsihorana Ranto. Beranto ao amin’ny tarika Ambondrona ho hahafantaran’ny maro azy. Tsy vaovao amin’ny tontolo ihany koa, satria efa mpanao gazety, mpaka sary, mpikarakara lanonana ary mpamakafaka momba ny kolontsaina ny tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina, na ny Ofnac, Christian Rabekoto. Mpanao gazety taloha, manam-pahaizana momba ny tantara ihany koa i Lahiniriako Denis Alexandre, izay voatendry ho tale misahana ny harembakoka eo anivon’ny minisitera.
Efa feno avokoa, araka izany, ireo toerana stratejika hahafahan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina miroso amin’ireo asa maika andrasana aminy. «Miarahaba manokana ireo rahalahy Theo Rakotovao aho amin’
izao naha voatendry azy ho tale jeneralin’ny kolontsaina izao. Mendrika izany toerana izany izy satria tena nitolona ary mino izahay fa hitondra fanavaozana izy ao amin’io minisitera io. Mpanakanto manana ny maha izy azy ary sahy miteny sy mandray andraikitra. Tsy hadino koa ny miarahaba an’i Beranto izay voatendry ho Dapa. Mirary soa anareo roa lahy hahavita soa », hoy Rajery nisolo tena ireo mpanakanto namany niarahana ireto voatendry ireto.
Zo ny Aina




