Hafatry ny fivondronamben’ny Eveka : « Aoka isika hahay haka lesona amin’ny tantara »

Nampita hafatra tahaka ny fanaony, isan-taona amin’ny fetin’ny Noely sy ny taona vaovao tahaka izao, ny eo anivon’ ny fivondronamben’ny Eveka (Fem).

Nambaran’ny filohan’ny Fem, ny evekan’i Mo­ron­dava, ny Mgr Ra­hari­lamboniaina Fabien, fa ao anatin’ny krizy amin’ny toekarena sy sosialy, politika ary tontolo iainana isika izao. Nanteriny fa anisan’ny nahatonga izany ny fahadisoam-panantenana teo amin’ny fampanantenana sy ny tsy fanatanterahana. Lasa krizin’ny tsy fifampitokisana izany. Anisany ny fihanaky ny kolikoly, nahatafintohina ny vahoaka. « Maneho izany fa tsy mahay maka lesona amin’ny tantara isika. Tsy misy fiadanana raha tsy misy ny fampandrosoana ny maha olona manontolo sy ny olon-drehetra », hoy izy. Notsiahiviny fa nanamarika ny krizy nifandimby ny tanora ka tsy hisy fiadanana raha tsy jerena ny fanabeazana azy ireo sy ny ankizy. Mandray izany fanabeazana izany ny Fiangonana Katolika. Anisan’ izany ny hanatanterahana ny “JMJ Mada” hatao any Toamasina, amin’ny volana aogositra 2026.
Ho amin’ny fifampiresahana

Niaiky ny tenany fa mahakivy ny maro ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena nefa efa nambaran’ny taratasin’ny Papa Leon XIV ny tokony hatokisana ny herin’ny fiadanana na marefo aza izany. « Tsy misy lalana hafa afa-tsy ny fifampidinihana anatin’ny fahamarinana no miteraka indray ny fifampitokisana eo amintsika », hoy izy.
Nanteriny fa miara-paly, miara-dalana sy miara-miaina ary miara-ory amintsika An­driamanitra ao anatin’izany rehetra izany. Manoritra ny lalana ho any amin’ny fiadanana i Jesoa zazakely, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, nampita hafatra koa ny solontenan’ny fiketrahana Masina, ny Mgr Tomasz Grysa. Nambarany fa fiadanana nomen’Andria­ma­nitra ny Noely ary entaniny ny Malagasy mba hivavaka. Eo koa ny amin’ny fifampiresahana hatrany.

Synèse R. 

Partager sur: