Tsy fanatrehana fivoriana: nesorina ny loholona Ravalomanana sy Lalatiana R.

Nesorina tsy ho loholon’i Madagasikara ny Jly Ravalo­manana Richard sy Rako­tondrazafy Lalatiana, araka ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), afakomaly. Raha ny And. 8 amin’ny fitsipika anatiny mifehy ny Anteni­meran­doholona: miala avy hatrany izay tsy manatrika ny fivoriana, ka tsy mametraka fanazavana na taratasy fialan-tsiny ny antony rehefa voamarin’ny HCC. Voamarina fa tsy nanatrika ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieran­do­ho­lona, oktobra-desambra 2025, izy ireo. Tsy nisy taratasy fanazavana na fialan-tsiny na filazana ny amin’izany, araka ny fanamarinan’ny mpitantsoratra eo anivon’ny Antenimierandoholona. Ny tsy fisian’ny porofo izay anton’ny tsy nahatongavan’izy ireo tamin’ny fivoriana izay no nangatahan’ny filohan’ny Anteni­mieran­doholona mpisolo toerana, Ndremanjary Jean-André, teny amin’ny HCC ny momba azy ireo.
Noho ireo antony ireo, nanapaka ny HCC, araka ny fangatahan’ny filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, fa azo raisina ny fangatahana napetrany tao amin’ny firaketan-draharaha eo anivon’ny HCC. Nametra-pialana avy hatrany ny jeneraly Ravalomanana Richard sy Rakotondrazafy Lalatiana tsy ho loholon’i Madagasikara intsony.
Araka izany, banga ny toeran’ny loholona roa eo anivon’ny Antenimierandoholona. Tsiahivina, anisan’ny loholona notendren’ny filohan’ny Repo­blika teo aloha, Rajo­elina Andry, izy ireo. Amin’ny 19 janoary 2026 no hifarana ny fe-potoam-piasan’ny Anteni­mi­eran­doholona.

R. Nd.

Partager sur: