Kardinaly Tsarahazana Désiré: “Hampandray andraikitra marina antsika ny fanavaozana”

Nitondra ny hafatra noho ny fahatongavan’ny Noely ny arsevekan’i Toamasina, ny kardialy Tsarahazana Désiré. Anisan’ny nasiany teny ny momba ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin’ny fanavaozana.

Tsy lany hamamiana ny arahaba sy ny firarian-tsoa ary ny hafatra… “Rariana àry ny fanavaozana kasaintsika hatao ity hampandray andraikitra marina tokoa antsika eto an-toerana. Fa tsy rariny ny tompony mangataka atiny, ary tsy mahazo amin’ny harena misy eo aminy.” Izay ny hafatry ny arsevekan’ny diosezin’i Toamasina, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tany Toamasina, voaray oma­ly, noho ny fahatongavan’ny Noely 2025 manoloana ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara amin’izao fo­toana izao. Hanova ny fiainantsika anie ny fankalazana ny Noely, ka hiadam-pinaritra ny vahoaka malagasy.
“Iza moa ianao, iza moa isika no miseho miavonavona manoloana ny mpanjaka ma­nompo anao? Manan-kasina eo amin’Andriamanitra ny tenantsika olombelona, matoa naka nofo toa antsika Izy. Iza moa ianao, iza moa isika no hampijaly sy hitsentsitra ny hafa?”, hoy izy. Nahafoy ny te­nany ho antsika i Kristy. Aiza ho aiza ny fahafoizantsika tena hanompo ny hafa ary hampandroso marina an’ity tanindrazana ity? Ny Zanak’­ Andri­amanitra tonga olombelona. Lalina ny fanetren-te­nan’­An­driamanitra. Lalina koa ny fitiavany.
Velom-pisaorana ny tomponandraikitra amin’ny fana­tsarana ny tanànan’i Toa­masina izy. Tohizo fa tsara. Tsy rariny ny tanàna faran’ny manankarena no lasa faran’ny mahantra. Ny lalana manamorona ny lalamby, ohatra, efa toy ny dobo filomanosana. Maro ny fiara tavela amin’ izany, satria ratsy loatra ny lalana.

R. Nd.

Partager sur: