Misimisy ny vesatra anenjehana azy: nosamborina sy hadihadiana ny Jly Ravalomanana Richard

Nosamborina omaly, teny amin’ny trano fonenany, afakomaly, ny jeneraly Ravalomanana Richard. Maro ny vesatra anenjehana azy, toy ny fisandohana andraikitra, fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena, firaisana tsikombakomba amin’ny vono olona…

Nosamborin’ny zandarimariam-pirenena teny amin’ny trano fone­nany, teny Ambatovinaky, afakomlay, tokony ho tamin’ny misandratrandro, ny jeneraly misotro ronono, Ravalomanana Richard, na Jly baomba no ahaizan’ny maro azy. Naka azy teny an-toerana ny zandarimariam-pirenena sy ny minisitry ny Fitsarana, araka ny fampitam-baovao avy eny amin’ny Toby Ratsimandrava. Fiara tsy mataho-dalana miisa roa, miloko mainty sy volon­tany, narahin’ny fiaran’ny zandarimariam-pirenena iray no tazana teny an-toerana ta­min’ny fotoana nakana azy. Nentina teny amin’ny toby Fibaikoana ny zandary etsy Andrefan’Ambohijanahary izy taorian’izay, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Tsiahivina fa nahazo taratasy fiantsoana azy ho eny amin’ny biraon’ny fibaikoana izy, ny alarobia lasa teo. Na­natitra izany teny an-tranony ny mpitandro filaminana. Na­maly tsy nety nivoaka ny tranony anefa izy ary nanao ranty lavabe tamin’ny tambajotran-tserasera. Vita ny Noely, nidina teny an-toerana naka azy ny manampahefana. Ha­tramin’ny fotoana nanoratana, tsy nahazoana vaovao ny to­hin’ny famotorana. Ny Jly Bama Marima, raha nantsoina an-telefaonina dia nilaza fa ny kaomandy ambonin’ny zandarimaria no afaka hakana ny vaovao. Ity farany, ny Jly Nonos Mamelison Mbinina, kosa dia tsy afaka niresaka tamin’ny fotoana nahazoana azy.

Anton-javatra maro

“Zavatra maromaro no mety hanenjehana azy. Hitan­tsika tamin’ny fangatahana amim-pilaminana nataon’ny vahoaka notarihin’ny tanora, herisetra niaro faty olona aza ny zava-niseho teto amin’ny firenena. Tsy maintsy andraisana fepetra izany”, hoy ny Tonia mpampanoa lalàna am­bony eo anivon’ny Fitsarana ambony, Antananarivo, Ra­zafindralambo Didier Alban Andriamahazonoro teny
Ano­sy, afakomaly. Nisandoka andraikitra tamin’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena izy. Hita ny porofo fa nanome baiko sy tena nitarika hetsika mahery vaika namoretana vahoaka izy. Anaovana fanadihadiana azy koa ny fanohintohinana ny fanjakana, ny fandranitana fankahalana. Misy koa firaisana tsikombakomba amin’ny fandratrana sy famonoana olona.
“Araka ny And. 134 amin’ ny lalàmpanorenana, raha fan­dikan-dalàna tsy mifandraika amin’ny andraikitra maha filohana andrimpanjakana azy: an’ny fitsarana tsotra ny fa­nenjehana”, hoy ity mpitsara ity. Mahaleo tena sy miasa an-kalalahana ny fitsarana. Eo ny fanenjehana ; fa jerena koa ny zon’ny enjehina, indrindra ny zo hiaro tena. Manaja ny zony ny fitsarana. Na ny fakana azy aza, tsy nisy herisetra. “Ao anatin’izao fanavaozana notakin’ny vahoaka izao, jerena ny zo maha olona”, hoy ny Tonia mpampanoa lalàna ambony. 48 ora ny fotoana hitazomana azy, araka ny lalàna sy ny fanajana ny zon’olombelona. Mety hiakatra kosa izany, arakaraka ny fanadihadiana atao aminy.

R. Nd.

Partager sur: