Ndremanjary Jean-André: “Olana seza ny fitakiana fandravana andrimpanjakana”

“Raha tonga ny filazan’ny sasany hoe harodana indray io fa hovaina zavatra hafa, olana seza izany. Mba manana olom-boafidy ve ireo olona miteny an’izany? Tsy misy. Olona fantatra avokoa ihany izy ireo.” Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimi­erandoholona mpisolo toerana, Ndremanjary Jean-André, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fi­takian’ny antoko politika sasany ny handravana ny andrimpanjakana rehetra. Tsy ireo antoko politika nivory teny Anko­rondrano no nitarika ny tolona teto, fa ny tanora Gen Z. Rehe­fa nisy faty olona sy ny faharatrana ary ny ambana sao mivadika ady an-trano ny zava-nitranga dia nandray andraikitra ny miaramilan’ny Capsat. Mazava ny fanapahana lah. 10 navoakan’ny HCC tamin’ny 14 oktobra: manohy ny asany ny andrimpanjakana rehetra. Tsy azo ivalozana ny fanapahan’ny HCC. Ny vokatr’ izay: tsy fanonganam-panjakana no nisy teto Madagasi­kara, fa ny HCC no nanome fa­hefana an’ny kolonely Randria­nirina Michaël. Izay ny fandaminana azo atao mahasoa ny firenena.
“Hamono tena isika, raha hiditra amin’izay fandravana ny andrimpanjakana rehetra izay”, hoy izy. Hihataka avokoa indray ireo mpamatsy vola. Voasazy indray mandeha isika. Nefa efa mandeha ny dingana ho amin’ny fanavaozana. Io no tohizina. Rehefa tonga ny fifidianana, mirotsa-kofidiana ireo mitady fandravana ny andrimpanjakana re­hetra. Voafidy izy raha tian’ny olona. Miala izay tsy lany. Inoana fa tsy hiditra amin’izany fandravana ny andrimpanjakana rehetra izany ny fikaonandoham-pirenena, raha fan­tatra fa loza mananontanona ho an’ny firenena. Tsy hitady seza no hahatongavan’ny olona hanao fikaonandoham-pirenena, fa hitondra hevitra ha­natsara ny fiainan’ny vahoaka.

R. Nd.

Partager sur: