Antenimierampirenena: saro-toerana ireo depiote tsy tonga mivory

Nesorina amin’ny maha loholon’i Madagasikara azy ny loholona isany, ny jeneraly Ravalomanana Richard sy Rakotondrazafy Lalatiana. Araka ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), tamin’ny 24 desambra lasa teo.

Antony ny tsy fanatrehana fivoriana tsy nametrahana taratasy fanazavana na fialan-tsiny ny antony azo ekena: naman’ny manala tena avy hatrany. Ahoana ny amin’ ireo solombavambahoaka tsy tonga tamin’ny fivoriana ara-potoana farany teo, teny amin’ ny Antenimierampirenena? Araka ny loharanom-baovao iray: efa nisy, ohatra, ny fa­moahan’ny filohan’ny Ante­nimierampirenena, Randria­na­so­loniaiko Siteny, fepetra amin’ny fitsipi-pifehezana ny amin’izay tsy fahatongavan’ny solombavambahoaka amin’ny fiatrehana fivoriana tsy voamarina na misy fanazavana izay. Zava-dehibe ho an’ny mpi­kamban’ny parlemanta ny fandinihana sy fandaniana volavolan-dalàna na tolo-dalàna.
Fantatra fa efa nisy ny fampahatsiahivana sy fampitandremana maromaro natao ny amin’ireo solombavambahoaka tsy tonga nivory tsy nisy fierana. Efa nisy aza ny sazy nampiharina azy ireo? Araka ny resaka mandeha, anisan’ ny voakasika amin’ny raharaha, ohatra, ny solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny vondrona Isika rehetra mia­raka amin’ny Andry Rajoelina (Mapar). Araka ny fitsipika anatiny mifehy ny Anteni­mie­rampirenena, natolotra ny HCC ny raharaha. Ry zareo no tomponandraikitra amin’ny fanapahana izay mety ho fanenjehana sy ny fahaverezan’ny maha parlemantera azy ireo.

R. Nd.

Partager sur: