“Mila finiavana politika ny hoavy politikan’i Madagasikara. Mila olona toa an’i Jerry John Rawlings tany Ghana. Miaramila izany. Sahy manova…” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse, ny amin’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, hirosoana amin’ny hoe fanavaozana. Raha sahy manova, tsy maintsy atao izay raha tena hiroso tokoa ho amin’ny fanovana ho amin’ny tsaratsara kokoa. Misy fomba fanao ratsy eto Madagasikara. “Sahia manova!”, hoy izy. Toy izany ny momba ny fahalovana, ny fanaovana kolikoly… Ahina raha mbola vahaolana an-tematemaka na ivelany fotsiny no atao.
“Mahita aho hoe manam-piniavana ihany ny mpitondra amin’izao fotoana izao, ary mila ampiana”, hoy izy. Izay no nanaovany antso avo amin’ ny fifanomezan-tanana sy ny fiarahan’ny samy Malagasy amin’ny fiatrehana ny hoavin’ ny firenena. Azo helohina ny mitazam-potsiny amin’izao toe-draharaha sy vanim-potoana izao. Tsy fanao izany, fa aleo omena ny hevitry ny tena amin’ny sehatra misy ny tena. Azo itokiana fa raha tena misy izay finiavana politika izay, tsy firenena voaozona i Madagasikara. Mba hisy ny fihatsarana na amin’ny fomba fanaovana politika, na ny sehatry ny toekarena, na fitondrana ny fifidianana… Azo atao tsara ny mijery ny raharaha amin’ny lafitsarany. Misy ny finoana. Izay no anolorana soso-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena. Satria eo ny dingana iray hahazoana manova… Raha vao tsy sahy manova, ny eo ihany no ho eo.
R. Nd.




