Nanjary tsy mahataka-davitra intsony ny Malagasy. Tsy mahavita ny asany araka ny tokony ho izy ny saina.
Miteniteny foana. Manaotao foana. Mihinankinam-poana, satria, ratsy kolokolo ny saina ka zara raha misy fahalalana ao aminy. Tsy mahavita mandinika sy mamakafaka intsony, hany ka manao rapa-dango sy telimoka izay hitan’ny maso, ren’ny sofina, voatsapan’ny tanana, amboloin’ny orona, matsiro amin’ny lela.
Vokatr’io tsy fahampian’ny fahalalana io avokoa no mahatonga ireo. Taona 2026, mila omen-danja ny fikoloana ny saina. Tsy sarotra amin’ny Malagasy ny miaina izany, satria, lova napetraky ny teo aloha fa nataony tsinontsinona. Haverina any anivon’ny ankohonana sy ny fiarahamonina rehefa mety ho fanabeazana mikolo saina. Anisan’ ireny ny lalao na ny kilalao nitaizana ny zaza fahiny.
Taona 2026, mila omena lanja indray ny fitantarana angano. Ny fanaovana ny ankifidy, ankamantatra… Hampahafantarina sy hikoloana ny sain’ny zaza sy ny tanora ny fanorona sy ny katro. Hoentina manatrika sy miatrika kabary (amin’ny lafiny rehetra) ny zatovo, sns. Hampanantonina ny tany ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora mba hitombo sy hitombona ny fahalalana ananany momba azy.
… Anisan’ny antony nahatonga ny Malagasy tsy ampy kolo saina ny fitotongan’ny tontolon’ny fanabeazana (ankohonana, fianakaviana, fiarahamonina, fikambanana samihafa, vondrona isan-karazany…) sy ny fampianarana. Omena ny tsy sahaza azy ny taranaka, hany ka nanary sy nanafoka ny azy. Nanomboka teo, tsy mitsaha-mitotongana ny firenena.
HaRy Razafindrakoto




