FANTINA sy FINTINA

Ny Malagasy rehetra mivondrona entanin’ny fitiavana ny firenena sy ny Malagasy mitovy amin’ny tena ihany no lalana hampandroso ny firenena. Izay ny fiarahabana noho ny taona vaovao nataon’ny filoha mpisolo toerana ny Antenimierandoholona, ny loholona Ndremanjary Jean-André, ny 1 janoary teo. Amin’ny maha andrimpanjakana mpiahy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona : mirary soa ho azy ireo izy, indrindra ho an’ny ben’ny Tanàna voafidy vao haingana teo.

Misokatra sy vonona hiara-miasa ary hizara sosokevitra amin’ireo tanora Gen Z ny minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny tombokasem-panjakana, i Ernaivo Fanirisoa, araka ny nambarany tamin’ny nandraisana azy ireo teny amin’ny birao fiasany, Faravohitra, tamin’ny farany taona teo. Mpiaro ny fampandrosoana ny fitondram-panjakana. Tanjona ny fanamafisana hatrany ny fanjakana tan-dalàna sy ny fangaraharana ary ny fanavaozana ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

“Amin’izao andro voalohany amin’ny taona 2026 izao, mirary fiononana sy herimpo ary fanantenana ho anareo tsirairay avy aho”. Izay ny hafatry ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, nampitain’ny TRT Africa, omaly. Manoloana ny fandrahonana sy ny disadisa ary ny fisaratsarahana izay niainana. Tao anatin’ny feon’ny fieritreretana tsara no nisafidiny ny hiala, toy izay hitarihana ny Malagasy ho amin’ny fifandonana sy ny korontana. Tsy fotoan’ny fifankahalana na valifaty izao, fa ny firaisankina sy ny fandraisana andraikitra.

Partager sur: