FANTINA sy FINTINA

“Tsy misy ny fiatoana politika, na hoe ao anatin’ny fety aza. Isan’andro ny fampiharan-dalàna. Fomba fitantanana ny firenena ny politika, ka tsy azo tapahina na eo aza ny fety”. Izay ny fijerin’ny filohan’ny antoko Avotra ho an’ny firenena, ny Dr Razafindrakoto Harison, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy misy ny fihetsaham-po ao amin’ny tontolo politika. Tomponandraikitra amin’izay rehetra ataony ny fitondram-panjakana. Ny itarafana azy: araka ny lalàna sa tsia?
“Firenena iaraha-manana i Madagasikara, ka mijoro ny fitondrana Fanavaozana amin’izao fotoana izao”, hoy ny fanambaran’ny Toko bey telo, Toliara, ny faran’ny taona teo. Koa manohana ny fitondrana mijoro izy ireo. Manameloka amin’ny heriny rehetra kosa ireo manao teti-dratsy hampiady ny samy Malagasy, indrindra ny zanak’i Toliara. Manao antso avo ny Malagasy hiray hina hampandrosoana an’i Madagasikara ny fikambanana, indrindra ny zanak’i Toliara hitondra asa sosialy ho fampivoarana an’i Toliara.
“Mila mahay maka lesona ny mpanao politika mitondra firenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain, momba ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy tokony haverina intsony ny zava-tsy nety teo aloha, fa izay tsara no tohizina. Antsoiny ny hery velona rehetra eto Madagasikara haneho ny heviny amin’ny fikaonandom-pirenena. Satria io no fototra haingana amin’ny Repoblika V, fa hiova ny lalàmpanorenana.

Partager sur: