Nilaza ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Onitiana Realy, omaly, fa tsy marina ny filazana fahazoan’ny mpiasa eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana tambim-pankasitrahana na valisoa manokana 20 tapitrisa Ar avy. Tsy nanamarina ny fisian’ny taratasy niparitaka momba izany izy. Tsara ho fantatra fa melohin’ny lalàna ny fanelezana vaovao tsy marina, araka ny nambarany. Toy izany koa ny fisandohana taratasy ofisialy sy fisandohana fitombokasem-panjakana.
“Fahefana omen’ny lalàmpanorenana an’ny Antenimierampirenena ny fanaovana fanadihadiana parlemantera”, hoy ny filohan’ny vaomiera misahana ny fanadihadiana parlemantera momba ny Jirama, ny depiote voafidy tany Benenitra, Razafindramasy Faralahy Célestin. Na hisy ny tsindry na sakana, eo hatrany ny foto-kevitra fisaraham-pahefana. Andraikitry ny Antenimierampirenena ny manara-maso ny mpanatanteraka. Ao anatin’izay no ahazoana manao fanadihadiana parlemantera.
“Taloha, eo amin’ny Fitsarana avo (HCJ) no tsaraina ny tomponandraikitra ambony”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama teny Mahazoarivo, afakomaly. Ny fitondrana amin’izao no namoaka fa raha mampiasa fahefana mihoatra ny voalazan’ny lalàna, tsy any amin’ny HCJ no tsaraina fa eny amin’ny fitsarana tsotra. Zava-dehibe izay. Tsy mbola heno hoe misy HCJ mijoro. Nefa marobe ny minisitra sy tomponandraikitra ambony no manana antontan-taratasy any, fa maty momoka fotsiny.




