“Somary hafahafa ihany ny fanalana depiote”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Fivoi, tany Arivonimamo, Rajerison Antoine, omaly, manoloana ny fanalana ireo depiote dimy eny anivon’ny Antenimierampirenena. Tsy fahatongavana na indray mandeha aza mandritra ny fivoriana ara-potoana ny anton’ny fanalana, araka ny fitsipika anatiny. Nefa misy depiote maro tsy tonga. Ao, ohatra, ny depioten’i Toamasina I, i Naharimamy Lucien Irmah; ny an’Antananarivo V, Raholdina Ranaivo; ny an’Antananarivo II, Rakotomanga Lanto… Tsy tonga mihitsy izy ireo. Fantatra fa ny depiote Ahmad Ahmad, voafidy tany Mitsinjo, Faritra Boeny, nirotsa-kofidina ho filohan’ny Antenimierampirenena, fa voatery nanala izany noho ny antony samihafa. Hita izy tamin’ny fanombohan’ny fivoriana. Nefa nesorina…
Maninona ny sasany tazonina, ny hafa esorina? Milaza ny And. 72 amin’ny lalàmpanorenana fa tsy tokony hisy intsony ny fifindrana vondrona perlemantera eo anivon’ny Antenimierampirenena. Azo torina izany ary azo esorina tsy ho depiote intsony. Rahoviana izay no mihatra? Rava ny vondrona Irmar, lasa mihazakazaka any amin’ny vovonana indray ry zareo sy ny tsy miankina izay niaraka tamin’ny fitondrana teo aloha. Ny tonta ve no avadika dia lasa vaovao? Manimba firenena… Lasa misy ny fivadibadihana vondrona: mifindra any amin’izay toerana metimety aminy sy misy tombontsoa ny sasany. Taraiky hatrany ny firenena. Mila jerena sy foanana izany rehetra izany hahazoana tena mankany amin’ny fanovana. Ho rava ny tena fanovana raha izao afindrafindrao izao no mitohy.
R. Nd.




