Hisy ny dinika fampahafantarana ny “Alahamadibe taona 465”, ny alakamisy 22 janaory izao, amin’ny 8 ora maraina, etsy amin’ny IKM Antsahavola. Misokatra ho an’ny rehetra izay liana mahakasika ny fomban-drazana amin’ny ankapobeny, indrindra mahakasika ny “Alahamadibe” izy ity, karakarain’ny vondrona Tsy mamorona fa mamelo-maso. Tsiahivina fa ny 19 marsa ho avy izao ny ivon’ny fankalazana ny “Alahamadibe”, izay hatao isak’ireo vohitra maro mbola mitana izany.
“Feo”, fampirantiana hafakely hahenoana ny feon’ireo mpanakanto, mpanao politika, olon-tsotra manana ny mampiavaka azy, sns, etsy amin’ny Hakanto Cotemporary Ankadimbahoaka. Hafakely satria nanamarika tantara ireo “Feo” mihodina, ka mamerina tadidy any am-parahatok’ireo mpitsidika, nanomboka ny sabotsy teo. Mifandrary amin’ izany ny talentan’ireo mpanakanto tarihin’i Joël Andrianomearisoa, izay mandrindra ny fampirantiana. Manana hatramin’ny 15 marsa izao izay liana hitsidika izany.
Hisy ny varavarana misokatra ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hatao rahampitso, manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 4 ora sy sasany hariva, izy io. Hatao, mandritra izany, ny fitsidihana sy fampahafantarana ireo trano famakiam-boky rehetra ao. Eo koa ny fampirantiana ireo tahirin-tsary mahakasika ireo Malagasy mpanoratra, fanentanana sy kilalaon-tsaina manodidina ny boky sy ny vakiboky. Hofaranana amin’ny velakevitra manodidina ny lohahevitra “Ny anjara toeran’ny Tranombokim-pirenena amin’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny kolontsaina malagasy”, izay iarahana amin’i Radomanantoanina Tahirisoa izany.




