Filohan’ny Antenimierampirenena: “Aoka hohajaina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana”

“Ny hita amin’izao, lasa tsy mahay indray ny fitsarana? Fa nahay izy teo aloha… Rehefa amin’ny andro inona dia marina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana? Misy resaka politika ao anatiny. Aoka kosa hohajaina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana”. Izay ny nambaran’ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, Randrianasoloniai­ko Siteny, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fanalana ireo depiote dimy. Eo koa ny “Raharaha depiote Sahon­drarimalala Marie Michelle”. Misy ny fisaraham-pahefana. Tsy miditra amin’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana izy amin’ny maha depiote azy. Mpanao lalàna ny Antenimie­ram­pirenena ka tokony hanaja lalàna. Toy izany koa ny amin’ ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Momba ny didim-pitsarana, sarotra ny hidiran’ny mpanao lalàna amin’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Na izany aza, nambarany fa ny mahagaga eto Madagasikara: rehefa inona vao tena marina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana?
Tsy azo hadinoina fa mpanao lalàna izy ireo, ary ao anatin’ny fanovana izao. Volam-bahoaka no anaramana an’ireo depiote. Tsy tokony hisy ny depiote ambonin’ny lalàna. Sanatria, ny mpanao lalàna indray no goragora amin’ny fanajana lalàna. Tokony ho maodely izy ireo amin’izany. Aroso amin’ny vahoaka malagasy ny fanontaniana: mety aminy ve ny fahabangan-toeran’ny depiote amin’ny fivoriana ao amin’ny Antenimierampirenena? Fan­tatra fa misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny Malagasy ny fanapahan-kevitra ao. Ma­havariana ny hoe toy ny tsy voaaro ny depiote amin’ny fizakana ny zo tsy azo enjehina nesorina amin’ny maha depiote azy. Andron’ny fanavaozana izao, misy olana sosialy teo: misy zavatra andrasan’ny vahoaka malagasy amin’ny depiote.

R. Nd.

Partager sur: