Fifankalozan-kevitra eo amin’ny raiamandreny sy zanaka. Izay no nitondrana ny dinidinika teo amin’ny biraon’ny sendikan’ny mpikarakara hetsika sy fampisehoana (Synops) sy ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa, ny alarobia teo, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy.
Fitsidihana ara-pomba fifanajana, narahina fifampirarian-tsoa noho ny taona vaovao no tena natao. Nandritra izany koa no nanaovana ny fampahafantarana ny andraikitry ny Synops, amin’ny maha mpisehatra sy mpandraharaha amin’ny tontolon’ny zavakanto ireo mpikambana.
“Ianareo no mampiaina sy mampihetsika ny sehatry ny zavakanto. Manana anjara toerana lehibe na eo amin’ny fihariana izany na ny fampialana voly, fa indrindra ny fanandratana ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Manana raiamandreny ianareo manana ny minisitera satria manan-danja ho anay ny asanareo, ka manohana izany araka izay azo atao ny minisitera”, hoy ny minisitra. “Amin’ny maha asa fandraharahana ny anay, zava-dehibe ny fanohanan’ny minisitera mpiahy toa izao. Manana ianteherana izahay, satria hery lehibe ho an’ny matihanina amin’ny fikarakarana hetsika izao”, hoy kosa ny sekretera jeneralin’ny Synops, Lanto Faniriniaina.
Hisy ny fifanaraham-piaraha-miasa hapetraka eo amin’ny 2 tonta, mba hanamafisana izay maha asa matihanina ny fikarakarana hetsika izay. Tsy ho ela ihany koa ny fanomezana ny Mariboninahitry ny kanto, ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Synops. Tsiahivina fa efa maherin’ny 15 taona teo no nisy ny firaisankinan’ireo mpikarakara hetsika, nanomboka tamin’ny fikambanana ka tonga amin’ny sendika. Miara-miasa akaiky amin’ny sendikan’ny kanto na ny Syka, amin’ny maha rano sy vary ny mpanakanto sy ny mpikarakara fampisehoana.
Zo ny Aina




