Tsy mahazo miverina

 

Anisan’ny nampanontany tena ny maro tamin’ny hetsi-bahoaka ny amin’ny fiverimberenan’ny krizy poli­tika: tsy mahafa-bela, tsy mampandroso, mampahantra… Anton’ny fanavaozana ifotony. Mila fiaingana vaovao. Mba tsy ny eo ihany no haverina na miverimberina amin’ ny rafitra, lalàna, fomba fiasa… Izay no efa nahavoa sy nahasasatry ny miarina hatramin’izay; eny, na nisy aza, ohatra, ny fihaonambem-pirenena: tsy nisy izay fiovana na fanovana. Nahoana? Misy mahita ka milaza fa anaovan’ny olom-bitsy tsikombakomba ratsy ny firenena. Toy ny hoe ifandovana? Eo koa ny tsy fahasahiana sy fanapahan-kevitra amin’ny fanovana, ny fahatokisan’ny vahoaka an-jambany ny mpitondra na famitahan’ny mpitondra fotsiny izao ny vahoaka. Mbola tsy mahafa-bela koa ny fiankinan-doha amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany.
Mila fanavaozana avokoa? Avela izay tsy mahasoa sy tsy mampandroso. Tsy tokony hanana henamaso na fisalasalana izany, tsy andramandramana, tsy iandrasana ny hafa… Izay no maha saropady ny fikaonandoha, mian­toka ny hoavin’ny firenena sy ny taranaka… Fitakiana fandinihana lalina sy fijerena lavitra, fa tsy anaovana kitsapatsapa. Tsy vitan’izany, tsy azo ifanilihana na ifanomezan-tsiny izay atao. Samy tomponandraikitra amin’ny hevitra avoaka, indrindra amin’izay fanapahan-kevitra iombonana tokony hampiombona. Fiaingana sy dingana vaovao no atrehina: tsy azo anaovana torapo, na entin-kambo amin’ny tsy antony… Ndrao faly sy mibitaka mamosa-kevitra fotsiny: ahoana ny amin’ny fanatanterahana, fifanaraha-maso, ny fiaretana sy faharetana… ?
Na ahoana na ahoana, tsy mahazo miverina. Raha tsy izany, mbola ny krizy no miverimberina. Sanatria izany… Mila hamafisina sy hifampitaizana àry hifanomezan-tanana izay atao amin’izao?

R. Nd.

Partager sur: