DAKA AN-JORONY: Sao ho varimba­rian’ny lavitra

Mitana ny sain’ny mpanara-baovao indray ankehitriny ny amin’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara. Na efa nanambara aza ny fanjakana fa havaozina ny fifanarahana amin’ilay frantsay teknisianina, tsy mbola tena mazava ny sori-dalana. Mifamahofaho be ny zava-misy satria any amin’ ny karama no itoeran’ny olana, amin’izao fotoana izao. Toa tsy manaiky ny hampihenana izany ity teknisianina. Sao mantsy ho varimbarian’ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso. Ho sodokan’ny randram-bao ka hanary ny akoho taman-trano noho ny akanga tsara soratra. Ny fotoana mandeha ka sao ho diso olana indray ny baolina kitra malagasy ka ilaozan’ny omby mihahaka eo. Aleo mantsy mpifankatia mifamarafara mba tsy ho ady no hiafarany. Raha hazo tsy arahim-paka mantsy tsy maniry ary raha asa tsy arahina fampirisihina, manahirana. Azo antoka fa tsy hanana fahavitrihina mihitsy ny mpanazatra raha toa ka tsy zarizary ny vola omena azy. Mety hisy fiantraikany goavana amin’ireo mpilalao koa izany izay mpisehatra voalohany. Fomba mahazatra ny mpitantana hatramin’izay mantsy ny manamora zavatra atao. Alefaso aloha fa vahana miandalana izany. Ady “clé”n’ny malagasy izany fa tsy mandaitra amin’ny olona efa matihanina. Sao sanatriavina ka ny rano natao hanala hetaheta no hahakofina na ny sakafo natao tohanaina no manjary hahakenda. Ho varimbarian’ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso. Aleo manao volano imaso tsy mba kilema fa tsy mety manao akinafinafina toa varo-boanatsindrana. Tsy mety mantsy ny miditra amin’ny pataloha tery fa tsara kokoa ny peratra antonona ny rantsana toa izay akanjo hifampindraman

Tompondaka

Partager sur: