Fihavaozana ho an’ny rehetra

 

Anisan’ny mahoraka indray amin’izao fotoana ny fifan­drohitana politika. Tonga vahiny rahateo ka tsy afa-miala amin’ny fanangonan-kevitra. Misy ny mitazona ny teny nomeny, misy ny efa mivadika sahady amin’ny mpiara-nitolona. Tsy mahagaga rahateo izany fa efa samy ana­tin’ny kajikajin’ny fitadiavan-tseza sy fikatsahana tombontsoa avokoa.
Ny an’ny sasany aza efa tonga any amin’ny fiken­drena ny fifidianana. Misarizoro amin’ny vazaha, izay heveriny fa mpiara-dalana aminy. Ny hafa, manao valala an-karona sy mpamosavy malemy. Manimba ireo niara-dalana sy nifampitantana tany am-boalohany. Sanatrian-dresaka fa niverina amin’ny teo aloha mihitsy aza. Angaha hita! Politika politisianina no resaka etoana.
Na inona na inona ho lazaina anefa amin’ny zava-miseho sy mitranga, manana ny anjara toerany lehibe ny miaramila. Izy ireo no angady nananana sy vy nahitana ny fanavaozana. Rariny sy hitsiny raha lohalisitra sy lohalaharana izy ireo amin’ny fitantanan-draharaha. Izy ireo aloha ny aina mamelona ny sambobe sy mampihodina ny zava-drehetra na inona na inona lazaina.
Mazava rahateo ny fehin-kevitra tamin’ny fikaonandohan’ny foloalindahy fa foana hatreo aloha ilay “moana sy marenina” na ny “grande muette”, hoy ny fiteny frantsay. Ho mpiantsehatra fototra izy ireo amin’ny fitantanana an’i Madagasikara. Tsy ho mpitazana na sanatria ho fitao­van’ny mpanao politika tahaka ny nahazatra hatrizay.
Madagasikara miova sy mihavao no tanjon’ny rehetra. Handrasana, araka izany, ny ho fivoaran’ny raharaham-pirenena. Fotoana tokony hiaraha-mientana hatrany izao. Tsy azo ekena intsony ny fanaovana takalonaina noho ny resaka politika eto amin’ny tany sy ny firenena. Mila mametraka mazava ny olom-pirenena tsotra sy ny mpitondra fa tia tanindrazana dia ampy!

r.r

Partager sur: