Fitantanana harembakoka: Hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpiasa

Mila fanavaozana hatrany ny fitantanana sy fikajiana ireo harembakoka. Anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny iraisam-pirenena ny fitaleavana misahana ny harembakoka eto Madagasikara.

Nandray ireo frantsay manam-pahaizana momba ny haremba­koka ny tale misahana ny ha­rembakoka, Lahiniriko Denis Alexandre, teny amin’ny La­pan’Andafiavaratra, omaly. Ni­tarika ny delegasionina i Jean Luc Martinez, ambasadaoro manokana miandraikitra ny fiaraha-miasa iraisam-pire­nena eo amin’ny sehatry ny harembakoka. Niaraka taminy i Rose Marie Mousseaux, tale misahana ny Musée d’archéologie nationale any Saint-Germain-en-Laye, France, sy i Léa Joshi-Sharma, tomponandraikitra misahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny harembakoka eo anivon’ny masoivohon’i France.
Anisan’ny nifantohan’ny dinika ny hetahetan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolon­tsaina hanofana sy hanamafy ny fahaiza-manaon’ny mpiasa amin’ny fitantanana ny mozea sy ny harembakoka. Ao anatin’ izany ny fanofanana momba ny fotokevitra mahakasika ny tranombakoka, ny teknika sy ny fomba fiasa amin’ny fikajiana sy fitahirizana vakoka, sns.
Vonona hanohana ara-teknika ihany koa ireto manam-pahaizana momba ny vakoka ireto. Nasiana resaka ny fanavaozana ny lalàna sy ny fani­tsiana ary ny fanamafisana ny politika nasionaly momba ny tranombakoka sy ny harem­bako-pirenena. Eo koa ny fananganana ny rafitra nasionalin’ny Tranombakoka eto Madagasi­kara ary ny fanohanana amin’ ny fanomanana antontan-kevitra hampidirana harembaoka eo amin’ny lisitra iraisam-pirenena.

Zo ny Aina

Partager sur: