Mahatsikaritra ireo toetoetran’ny mpanao politika sasany manoloana ny ady seza dia tsy sahy manakombom-bava. Aleo miteny sy mamaky bantsilana ny zava-mitranga marina. Tafahoatra ny tsy fitiavan-tanindrazana ny an’ny sasany fa maika haka seza sy hanao tantely afa-drakotra fotsiny ilay fananam-pirenena sy ny volam-bahoaka. Manjaka ny fitiavan-tena ka mitady hanaotao fahatany.
Ekena fa miezaka ny mandeha anaty fahadiovana sy mangaraharaha ilay kapitenin-tsambo fa ny manodidina, toy ny mahazatra, tsy miala amin’ny mahazatra azy eny ihany. Ny tsy tokony hiala ao an-tsain’ny tsirairay anefa dia ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. Miandry fotoana fotsiny dia mety miverina ho aotra ny zava-drehetra. Midika izany fa ny asa sy vokatra aloha alefa dia manaraka hoazy ny kajikajy politika.
Iza tokoa no hanaiky hiala maina eo! Kanefa rehefa manao mba mahaiza mitsinjo ilay besinimaro. Manaraka hoazy avy eo ny vokatsoa rehefa mahita sitraka sy fankatoavana avy amin’ny maro an’isa. Tsy hisy hitebiteby hoe hoesorina na tsia. Misy amin’ny olona nahazo toerana tena manao amin-kitsimpo ka tsy ahitana taratra izay fiahiahiana ho very seza. Ny vokatra sy ny fiantraikany amin’ny vahoaka ny azy no miaro avy hatrany.
Tsy manahirana ny mitondra firenena raha vanona ny nomem-pahefana. Diso variana mitady izay ho azy sy ny ankohonany ny sasany, hany ka mitady hibirioka an-davaka sy mampanaotao fahatany. Misy ny mivaro-panahy, manary hasina ka misolelaka imasom-bahoaka. Ny hafa efa mibaribary fa mpamosavy malemy. Miha simba sy miha lo ny maha olona azy. Tsy mahagaga raha mitsingilaila ny tongo-databatra sy ny sezany.
Mila samy misaina lalina fotsiny!
r.r




