Mitondra ny heviny mahakasika ny fotodrafitrasa amin’ny baolina kitra eto Madagasikara, Andriamiharinosy Augustin Baovola, Malagasy mpilalao matihanina voalohany. Aminy, tsy tokony hiantehitra amin’ny kianja tantanin’ny rafitra hafa ny federasionina fa mila manana ho azy manokana.
Raha baolina kitra no resahina, reharehan’i Brésil, i Pele. Voninahitry ny arzantina i Maradona ary olomangan’i Madagasikara kosa Andriamiharinosy Augustin Baovola. Malagasy mpilalao voalohany, lasa mpilalao matihanina nilalao ivelan’i Madagasikara. Mpampidi-baolina be indrindra, hatramin’izao, nahatratra 400 mahery. Mpilalao novolavolain’ny AS St Michel avy eo niondrana tatsy La Réunion ary tany France i Augustin. Sady nanao baolina izy no niasa tao amin’ny Institut thérapeutique éducatif et pédagogique (Itep), tamin’izany. Hany Malagasy tokana tao anatin’izany rafitra izany ary “éducateur sportif”, nitaiza ireo zana-bazaha manana toetra maherihery setra, tamin’ny fitsipi-pifehezana ao anatin’ny fanatanjahantena nandritra ny 20 taona (1994 – 2014). Taorian’izay, niverina teto Madagasikara ka namorona ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny niaraka tamin’ny ligin’Analamanga, saingy tsy nitohy izany rehefa nitodi-doha tany France indray ny tenany.
Nilaza i Augustin Baovola fa tokony manana kianja manokana ho azy ny federasionina, toa ireo any amin’ny firenena afrikanina efa mandroso. Ankoatra izay, nanamarika ny tenany fa tsy nety ny nanovana ny anaran’i Mahamasina. Misy fifandraisana akaiky amin’ny tantaran’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy mantsy io toerana io, izay masina satria sady nanaovana fotoam-pivavahana no nanatontosana ny matso sy ny sisa. Izany no nahatonga ny anarany hoe : Mahamasina. “Afaka manangana kianja hafa ka malalaka ny fanomezana anarana izany”, hoy izy. Na andrarezin’ny baolina kitra malagasy aza i Augustin Baovola tsy mbola nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny fitondrana nifanesy.
Tompondaka




