Namoaka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny pejy Facekookny, afakomaly, ny Disciples FC fa mpilalaon’izy ireo, ankehitriny, i Fely sy i Radokely. Tsiahivina fa ireto mpilalao roa ireo izay efa nandrafitra ny Barean’i Madagasikara nandritra ny fifanintsanana Chan, ny taona 2023 teo i Radokely, nitondra avo ny ekipa nasionaly malagasy tamin’izany fifanintsanana afrikanina izany. I Fely kosa, nampiditra ny baolina voalohany ho an’ny Barea, tamin’ny famaranana ny Chan 2024 teo.
Nanatanteraka fivoriana tsy ara-potoana momba ny zava-nisy tany Mahajanga ny fikambanan’ ny klioba elita eto Madagasikara CFEM, omaly. Andrasana, anio, ny mety fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fivoriana. Raha tsiahivina, misy olana amin’ny resaka mpitsara ny lalao tany Mahajanga, ka nisy ny klioba izay niatrika lalao no nametraka fitarainana teo anivon’ny CFEM.
Hotanterahina ny sabotsy 31 janoary izao, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny famaranana amin’ny fifaninanana “Super Coupe”, taranja volley ball, karakarain’ny ligin’Analamanga. Anisan’ny hifanandrina ny ASI sy ny VBCD, eo amin’ny sokajy U20, vehivavy, ary ny ASI sy ny ASSM, eo amin’ny sokajy U20, lehilahy.




