Banja malalaka

 

Mampiaiky volana ny herin’ny facebook! Tena zary kianja filalaovan’ny mpiserasera eto Madagasikara ilay izy. Banja malalaka ampy hifanandrinan’ny samy mahery. Na mpitondra na mpanohitra samy mitondra ny lohany. Tsy ahitana taratra izay faharefoana izany mihitsy. Na iza na iza mampiranty toa tampim-pahaizana sy tsy kasi­han’ota izany. Izay mivoaka babany avokoa.
Ny tiana hifampizarana androany, natao ho seha-pihariana ahafahana mampidi-bola ny an’olona ilay FB. Tsy adalan’ny sasany, toa ireo milaza azy ho mpitarika olona (“influenceur “), no manamby vola ny fitiavana na fanehoan-kevitra amin’ny ranty iray. Toy ny fampiasam-bola rehetra io ka misy ny vola mihodina dia misy ny tombom-barotra. Fitadiavam-bola madio sy ara-dalàna azo amin’ny fitavozavozana sy ny tsy fahalalan-dRamalagasy ilay miabo azo amin’ny tambajotran-tserasera.
Toy ny orinasa rehetra, azon’ny besinimaro atao tsara tokoa ny mitrandraka ity kianjaben’ny serasera ity. Izay mahasahy miakatra ka hilalao no misitraka ny fandre­sena. Mitaky fahafehezana ny fitsipi-dalao izany sy ny pitsompitson’ny teknika takina. Tsy azo atao ny mandeha an-jambany tahaka ny mahazatra ny ankamaroan’ny mpikirakira azy amin’izao fotoana izao.
Raha ho antsika eto Madagasikara dia mitaky ezaka lehibe ny famolavolana ny toe-tsaina hamadika ny Face­book ho vola. Zary fanalana andro sy famotehina amin’ny tsy misy dikany ny ankamaroany. Mila ongotana ifotony izany raha tia ho herim-pamokarana sy ho herim-pampandrosoana ny tambajotran-tserasera. Tsy ho mora izany satria tokony hatomboka hatrany an-tampon’ny fahefana ny maodely tsara.
Banja malalaka azo hifanintsanana tsara rahateo izy ireny.

r.r

Partager sur: