Efa harembakoka iraisam-pirenena. Rariny raha hasongadina eto an-toerana ka hatrany ivelany ny gadona tsapiky.
Ny 10 desambra 2025 no nivoaka ny fanambarana avy amin’ny Unesco: Tafiditra ho isan’ireo harembakoka iraisam-pirenena ny gadona tsapiky. Nampahanfatarin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina tamin’ny fomba ofisialy izany, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Nohamafisin’ny minisitra Mandrindrarivony Ogascar, nandritra izany, koa ny tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra, ny 27 janoary teo, izay nampahafantatra fa hisy ny “Tsapiky Festivaly”, hotontosaina any Toliara, ny 27 sy 28 febroary izao, hanamarihana ity vaovao lehibe ho an’ny zavakanto malagasy ity.
Hanandratra ny tsapiky amin’ny sehatra avoavo kokoa, eto hatrany ivelany, no tanjona. Rariny anefa raha hatomboka ao Toliara, faritra nihaviana sy nampalaza voalohany ny tsapiky izany. Mpanakanto maro no hanafana ny fotoana mandritra ireo roa andro ireo, raha ny fanazavana avy amin’ny minisitera hatrany. Tsy raharahan’ny tompon-tany ao Toliara irery anefa fa tena raharaham-pirenena ity, ka hanehoana ihany koa izay firaisana anatin’ny fahasamihafan’ny foko rehetra misy eto Madagasikara izay ny “Tsapiky Festivaly”. Entanina, araka izany, ny rehetra izay afaka hifanome tanàna ho an’ity hetsika ity.
Zo ny Aina




