StarTimes : Fitantarana lalao amin’ny teny malagasy

Tolotra manakaiky vahoaka, natao ho an’ny Malagasy rehe­tra. Mitohy ny fitantarana amin’ny teny malagasy, ao amin’ny rohim-pandaharana fahitalavitra avoakan’ny Star­Times, ireo fifaninanana baolina kitra iraisam-pirenena, toy ny fifaninanana espaniola Laliga. Manatanteraka izany ny mpitantara matihanina, i Daniel Randriamaro sy i Edouard Rato­voson, fantatry ny maro hoe Rayest. Efa nanomboka tamin’
ity volana janoary ity koa ny fitantarana amin’ny teny mala­gasy ny fifaninanana baolina kitra alemà, Bundesliga.
Hita ao amin’ny televiziona UPTV DTH 769 sy ny DTT111 fandaharana manokana (chaîne exclusive) StarTimes. Man­deha amin’ny fandaharana fanatanjahantena kosa ny lalao rehetra, toy ny ST Sport premium, ny ST Sport Life, ny ST World football, sns.
Manampy ireo, mandeha mivantana amin’ny rohim-pandaharana GasyStar DTH 788 sy ny DTT 108 ny fiadiana ny ho Tompondakan’i Madagasikara PFL Ligue 1. Lalao roa isan-kerinandro no mandeha mivantana ary lalao roa hafa tsy mivantana. Mpanaparitaka tokana (diffuseur exclusif) ny PFL ny StarTimes.

Tompondaka

Partager sur: