Fantatra omaly avokoa ireo klioba tsy hiatrika ny lalao sakana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des Champions LDC 2026 ». Anisan’ ireo ekipa tsy maintsy hiatrika izany kosa ny Real Madrid, espaniola, ny Paris Saint Germain FC, frantsay, izay tompondakan’ny LDC farany teo. Tsiahivina fa resin’ny Benifica tamin’ny isa 4 no ho 2, ny Real Madrid, afakomaly.
Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny fampiofanana atolotr’i Hanshi Raharimanantsoa Hugues. Taranja 4 no hanomezany fampiofanana. Eo ny taranja karate-do, Yoseikan Budo, Tai Chi Chuan ary ny Iai Do. Misokatra ho an’ny mpiangaly ireo taranja ireo ny fiofanana.
Nitsidika ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny Federasionina malagasin’ny “gymnastique”, omaly. Niarahaba nahatratra ny taona vaovao sy nanolotra an-dRakotonirina Tiara, Malagasy atleta sady ambasadaoron’ny gymnastique rythmique, izay misolo tena an’i Madagasikara amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena ihany koa izy ireo. Fotoana nanazavan’ny federasionina ny vina sy ny fandaharanasa kasainy hotanterahina mandritra ity taona 2026 ity.




