Efa miditra ny vola? 

 

Nanaitra ny filazan’ny Banky foiben’i Madagasikara fa mbola manana volabe ampy ampiasaina anatin’ny enim-bolana isika. Mainka mahafinaritra ny mamaky ny tatitra fa 70 % amin’ny Malagasy no tsy mampiasa afa-tsy ravim­bola 20 000 Ariary. Efa metimety izany ny  resaka toekarena hatrany an-tokantrano. Tsy manimba saina intsony ilay fanambaran’ny minisitra iray iny hoe fongana ny tahirim-bola fa noraofin’ny foza.  Mahavelombolo izany fa efa misy ny miditra aloha. Afaka ampiasaina anaty filaminan-tsaina, tsy mampiahiahy izay kirizy.
Raha ny zava-misy aloha, azo antoka fa miditra tsikelikely ny volabe amin’ny kitapom-bola. Madagasikara raha­teo tsy nampikatso ny fanangonan-ketra sy ny haban-tseranana. Manginy fotsiny ireny famerenana vola vahiny amin’ny fanondranana letisia sy jirofo farany teo ireny. Raha fehezina, tsy nisy aloha ny fanagiazana na fibodoana ny seha-pihariana maro ka malalaka ny fikorian’ny vola. Ilay ampihimamba rahateo no fositra hatrizay. Lasa sorona noho ny tombontsoa manokana ny anjaran’ny besinimaro.
Zava-dehibe amin’ny fameloma-maso sy fampiroboroboana ny toekarena ny fahalalahana. Teboka tsy azo tsinontsinoavina ny fametrahana ny sokajin’olona rehetra ho mpiantsehatra mampihodina azy io. Ny fiaraha-mientan’ny hery velona toy ny olon-tsotra, ny mpandraharaha tsy mian­kina ary ny fanjakana ihany no vahaolana. Antoka mifanindran-dalana amin’izay ny fanadiovana ny fiaraha-miasa anatin’ny fahadiovana sy ny mangarahara. Tsy tokony hisy ny fifampisomparana raha misy ny manana herijika hitondra anjara biriky.
Lesoka hatramin’izay ny fanaovana ho ambanin-javatra ny fahaiza-manaon’ny hafa vao tsy anaty ankolafy izatsy na tsy mpikambana amin’ny vondrona izaroa. Tsy fotoan’ny fifanilihana na fibodoana fahefana intsony izao. Vaninandron’ny fifanomezan-tanana sy ny firaisan-tsaina. Ankoatra izay, mila ialana lavitra sy ampirimina ho an’ny tombontsoam-pirenena sy ny soa iombonan’ny mpiray tanindrazana.

r.r

Partager sur: